- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMangarano Toamasina : Tovovavy 24 taona maty nisy namono

Mangarano Toamasina : Tovovavy 24 taona maty nisy namono

Ny alatsinainy 20 janoary teo dia tokantrano iray tao Mangarano no nisy nanafika; tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin’io fa ny mpanampy ihany no tao. Ireo manodidina no nahatsikaritra zavatra hafahafa ka izy ireo no nampandre ny tompon-trano ny zavatra hitan’izy ireo, tamin’ny fisokafan’ny vavahady sy trano tsy nihidy intsony. Ny alatsinainy io ihany tokony tamin’ny 08ora maraina raha nampandre ny mpitandro filaminana ny tompon-trano izay tsy tao an-toerana, dia tonga nijery ny zava-nisy izy ireo. Efa vatana mangatsiakan’ilay mpanampy an-trano vavy no hita nivalampatra teo afovoan-trano, izay mbola nahitana paompin-drano teo akaikiny. Izay tombanan’ny mpitandro ny filaminana ho ilay paompin-drano teo akaikiny io no nidarohan’ireo andian’olona azy satria nahitana fahavakisana ny lohany. Eo amin’ny 24 taona eo ity mpanampy vavy nisy namono ity. Tsy nisy kosa ny entana very fa ny entana tao an-trano no nikorontana ambony ambany, koa tsy fantatra mazava ny tena antony namonoan’ireo jiolahy ity mpanampy vavy ity, fa notombanana ho nikaroka zavatra na voahiraka manokana haka zavatra ireo mpanono olona. Ankoatra izany araka ny fanazavana azo dia efa in-05 nisy namaky ity tokantrano iray ao Mangarano ity, ka saika andro antoandro hatrany no nanaovan’ireo andian-jiolahy izany tamin’ireo fotoana in-dimy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici