Ny talata tolakandro teo tamin’ny 03ora araka ny fandaharam-potoan’ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona mihazona ny raharaha, no niakatra fanindroany teo anivon’ny fitsarana mpanao fanadiadiana ny raharaha famonoana niniana natao manenjika ireo ankizilahy 05 namono an’i Maderos nandritra ny sakoroka an-dalam-be izay samy mpianatra eo anivon’ny Ceg Ratsimilaho avokoa na ireo namono na ilay maty. Feno olona ny teo an-tokontanin’ny fitsarana sy teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona, nanaraka ity raharaha ity, satria nandeha be ny resaka teto Toamasina fa manao izay fomba hanafahana an-janany am-ponja ireo ray aman-drenin’izy 05 lahy voarohirohy ho namono izay nihaiky tamin’ny famotorana azy rehetra araka ny angom-baovao tamin’izany famonoana izany. Ny ray aman-drenin’ilay ankizilahy maty voadaroka sy ny mpiara-monina aminy ary ireo mpiara-mianatra taminy kosa mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireo namono, ka izany no nahatonga azy ireo nirohotra teny amin’ny fitsarana ny talata tolakandro io nanara-maso ny fandehan-javatra. Ho an’ny mpahay lalàna anefa dia tsy vitan’ny mpitsara tokana ny manome izany famotsorana vonjy maika izany amin’ny raharaha tahaka izao, satria nivadika famonoana niniana natao ny heloka manenjika ireo ankizy 05 lahy, fa tsy maintsy ny “chambre de detention” izay ahitana mpitsara mpanao famotorana maromaro no mandray ny fanapahan-kevitra amin’izany. Ankoatra izany raha ho voatazona hatrany ny heloka menenjika azy 05 lahy ireto, dia ny fitsarana ady heloky ny fitsarana ambony izany no hitazona ny raharaha amin’ny fotoana hikatonan’ny fanadiadian’ny mpitsara misahana izany.
Malala Didier