Nisesisesy tato ho ato ny fitifirana ataona miaramila olona tsy manan-tsiny, ka tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ity trangana fihoaram-pefy ity, fa mandoto endrika ny fitondrana misy ankehitriny ; izay mametraka ny tany tan-dalàna amin’izao. Miaramila kilasy faharoa avy ao amin’ny DAS Andamilamy Distrikan’ Ambovombe Androy no mamo, ny talata teo, ka nitifitra olona tsy salama saina tao an-tsenan’i Fenoaivo, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ifotaka, Distrika Amboasary Atsimo. Raha ny vaovao voaray, tapaka voatifitra ny tongotra havanan’ity adala izay niantefan’ny bala, ka mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’ Ambovombe Androy, ny niharan-doza hatramin’izao. Efa nalefa ao Ambovombe Androy ihany koa moa ilay miaramila nahavanon-doza, ka harahintsika eto hatrany ny fivoaran’ny raharaha.
Eric Manitrisa