Tsy azo lavina ary hita misongadina fa tena ao anatin’ny fikarohana ireo tompon’antoka sy ati-doha nikotrika ireny asa fakana an-keriny mba hitakiana vola (kidnapping) nitranga teto amin’ny firenenena ireny ireo mpitandro ny filaminana. Nisy ny vokatra ary efa maro ireo voasambotra sy natolotra ny Fitsarana tamini’ireo voalaza fa voarohirohy tamin’ity asa ratsy ity. Na eo aza izany fahombiazana izany dia misy ihany ireo mitsikera. Tsikera izay azo heverina ho mitombina raha araka ny fitarainan’ireto andian’olona ireto. Fianakiavan’ireo olona voarohirohy tamin’ireo resaka fakana an-keriny « kidnapping » ireto miresaka. Mitaraina izy ireo fa ny havany dia efa nohafan’ny fitsarana na koa efa nahavita ny saziny raha voarohirohy tamin’izany asa raty izany. Efa manana ny fiainany sy miasa ara-dalàna ary tsy misy ifandraisana amin’io asa io intsony ireo olona ireo. Maneho alahelony anefa ireo andian’olona, izay nilaza fa efa nitondra fitarainana hatrany amin’ny lehibe faratapony miandraikitra ny fikarohana momba ity raharaha ity, fa mbola tonontonana foana ny anaran’ny fianakaviany izay efa tokony hilamina any amin’izay misy azy any. Tsy vitan’izay fa voatery mizaka ny tsy rariny hono izy tsy maintsy miatrika ireo mpitandro filaminana tonga manao fanadihadihana any aminny fotoana izay itrangan’izany. Fomba fiasa izay kihanin’ireto andian’olona ireto fa tsy rariny ary tsy manaja ny zon’olombelona ka tokony ho jerena manokana. Manoloana izany raharaha izany, izay heverin’ireto fianakaviana ireto fa manohitohina ny fiainan’izy ireo sy ny zo maha olona azy dia miangavy izy ireo ny mba handraisan’ny tomponandraikaitra ambony sy mahefa andraikitra amin’ny fanahara-maso ny asan’ireo mpanao fanadihadiana momba ity raharaha fakana an-keriny ity.
T.M.
Raharaha « kidnapping » : Misy tsy manantsiny mitaraina mizaka ny tsy rariny
Articles qui pourraient vous intéresser