Taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny GAPJ Atsimo Atsinanana, ka rehefa nandalo Fampanoavana, dia notazomina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Farafangana, nanomboka afak’omaly tolakandro teo, ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana teknika sy araka asa ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana teo aloha. Raha ny vaovao voaray, fanodinkodinana volam-bahoaka momba ilay « Panier garni » tolotra avy amin’ny filoham-pirenena, niampy fanararaotam-pahefana no vesatra anenjehana an’ity Talem-paritra teo aloha ity. Raha tsiahivina, nanao « vidéo » ity DRENTP Atsimo Atsinanana teo aloha ity, ary nilaza izy tamin’izany fa nisy nanafika ny tranony, ka very niaraka tamin’izany ny vola rehetra tao an-tranony. Tsy naharesy lahatra ny maro anefa izany fanambarana izany, ka niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana, ary izao nidoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy izao ny tenany.
Eric Manitrisa