- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Sefo Fokontany maty notapahin-doha

Farafangana : Sefo Fokontany maty notapahin-doha

Noho ny hetraketraky ny tsy nahataho-tody, maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, ny Sefom-pokontanin’ Anaviavy, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Etrotroka, Distrikan’i Farafangana. Raha ny vaovao voaray, notapahin’ny olon-dratsy ny lohan’ity olom-boatendry ity, ary tsy mbola hita hatramin’izao na dia efa nokarohina fatratra aza. Araka ny fomban-tany any an-toerana moa, tsy afaka nalevina tany amin’ny fasan-drazana ny razana tsy misy loha, ka voatery nanonkana toerana « anirotra » nandevenana azy ny fianakaviany, afak’omaly. Araka ny vaovao voaray hatrany, hita tavela teo amin’ny toerana namonoana an’ity Sefo Fokontany ity ny famaky iray izay fitaovana nampiasan’ny olon-dratsy niampy kapa « kyranil ». Hatreto, mbola tsy fantatra ny ireo nahavanon-doza izay mbola karohina fatratra hatramin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici