- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Tranona vaviantitra 70 taona nisy nandoro, may lasa lavenona ny...

Antsohihy : Tranona vaviantitra 70 taona nisy nandoro, may lasa lavenona ny vola 6 tapitrisa Ar sy ny entana rehetra

Nitrangana loza nahavalalanina ny maro tao an-tanànan’ Ankiakabe, Fokontany Ankiririky Avaratra I, ao an-tampon-tanànan’Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia, ny narainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny efatra ora. Tranona vaviantitra iray 70 taona no nisy nandoro, ka may kila forehitry ny afo tao tamin’izany ny : lelavola mitentina enina tapitrisa ariary, vary telo gony, « salon », fahitalavitra roa, . . . niampy entana saro-bidy hafa.  « Mbola natory teo am-pandriana aho no nahatsapa hafanana be teo amin’ny tahezako. Tampoka nitodika aho havazana be no hitako, ka niantso vonjy tamin’ny Fokonolona izaho », hoy ilay vavy antitra nitantara ny zava-nisy. Talohan’izao fahamaizana izao, raha ny vaovao voaray hatrany, dia nisy namaky natetika ny tranon’ity ramatoabe ity, ary very tamin’izany ny akoho amam-borony sy vilany tsy latsaky ny folo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, dia afo nampidirin’ny ireo tsy mataho-tody avy ao anaty trano no niandohan’ny firehetana, ary tanjon’ny olon-dratsy ny hamono an’ity vavy antitra ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici