Taorian’ny fanafihan-dahalo nitam-piadiana nitranga tao Andranonkazo II, Kaominina ambanivohitra Ambilombe, Distrikan’i Mandritsara, izay nahafatesana olon-tsotra iray sy naharatrana olona telo hafa ary nahaverezana vola valo tapitrisa ariary, ny alarobia 22 janoary lasa teo, dia nidina ifotony tany amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana ny zandary, ny alakamisy teo. Ny ampitson’io anefa, naharay vaovao ny zandary, fa manohy manafika any amin’ny Kaominina Ankiabe Salohy sy mampihorohoro vahoaka ao Ambinanifango ireo dahalo mitam-piadiana miisa 15. Nidina avy hatrany tamin’ireo toerana roa voatondro etsy ambony ireo ny zandary, ka tao anaty fanarahan-dia, raikitra ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny vaovao voaray, dahalo enina no maty voatifitra, ka dahalo iray namoy ny ainy tao amin’ny Kaominina Ankiabe Salohy, ny iray hafa tao Ambinanifango, ary ny efatra ambiny kosa lavon’ny bala tao an-tanetin’i Manara hely. Ary olon-tsotra iray tamin’ny Fokonolona izay nanampy ny mpitandro filaminana tamin’ny fanarahan-dia kosa no naratra mafy voatifitry ny bala tsy nahy (balle perdue) teo amin’ny tongony. Nanararaotra ny ora-nikija nijojo ireo dahalo sisa velona, ka nanao tari-dositra niampita ny reniranon’i Sandrangita, ary mbola karohina fatratra hatramin’izao.
Eric Manitrisa