- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Lehilahy hita faty, feno ratra sy diana antsy

Anosibe : Lehilahy hita faty, feno ratra sy diana antsy

Omaly maraina be no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray teny amin’ny lalam-by Anosibe. Rehefa nojerena ny razana dia nahitana ratra teo amin’ny lohany ary nisy diana antsy ny vatany. Araka izany, mihevitra ny maro fa nisy namono ity olona ity. Ny havany moa tsy lavitra teo nahita ny fatiny. Eo amin’ny 50 taona eo ity nindaosin’ny fahafatesana ity. Mpivarotra lakile simba eny amin’ny faritra La Réunion kely no asany fahavelony. Voalaza fa olona sahirana ity namoy ny ainy ity. Hatramin’izao, tsy fantatra ny antony namonoan’ny sasany azy. Ireo nahita ny razana dia samy nilaza fa tamin’ny alina no nanaovana izany habibiana izany. Ny eny an-toerana dia samy mahalala fa sarotra ny fiainana. Tontolo hafa mihitsy no eny an-toerana. Samy mandeha samy mitady ny rehetra ary na dia varotra tsy dia misy dikany aza, miteraka disadisa, mba tsy hilazana fikasihan-tànana. Toerana voabahana kely fotisny koa dia miakatra ny feo. Izany rehetra izany no ilazana fa ao anatin’ny fahantrana tanteraka ireo olona ireo ary dia very fanahy mbola velona.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser