Na nadro na alina, andrenesana fanafihan-jiolahy foana eto an-drenivohitra.
Amin’ny andro antoandrobe nanahary no nitranga ny fanafihana omaly tetsy Ampefiloha, tao amin’ny trano iray ao amin’ny Cité. Raha araka ny fantatra dia ny logement 18X no nisy nanafika. Enin-dahy no nanatontosa an’izany ary basy telo raha kely indrindra no teny amin’izy ireo. Izay mantsy no hitan’ireo voatafika maso, fa mety mbola misy hafa miafina koa any anaty akanjo sy sakaosy any. Tonga teo an-toerana ireo olon-dratsy ary niantso ny mpanampy an-trano tamin’ny anarany. Nilaza izy ireo fa hanatitra “cadeau” no anton-diany. Tsy nisy nanampo na inona na inona vokatr’izany fahaizana anarana izany. Vao tafiditra tao an-tokontany anefa dia navoaka amin’izay ny fitaovam-piadiana, ny basy. Nambanana tamin’izany ny mpanampy an-trano sy izay rehetra tao, isan’izany ny zanaky ny tompon-trano, zaza roa. Nofatorana “scotch” ny vavan’ireo mba tsy hiantso vonjeo. Nanontaniana amin’izay ny amin’izay toerana misy ny vola. Nakorontana ambony ambany ny trano nony avy eo, mba hitadiavana izany. Vola 500.000 ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’ity fanafihana ity. Mpikarakara lanonana ny tompon’ny trano ary vao avy nandoa volan’ny mpiasany izy tamin’ny faran’ny herinandro teo. Iray sisa no tsy voaloa satria mbola tsy nandalo, dia io 500.000 ariary lasan’ny jiolahy io izany. Mazava avy hatrany ny fandehan-javatra fa ilay karaman’ny mpiasa rehetra no noheveren’ireo jiolahy fa mbola ao an-trano ary nokinendriny. Heverina ho nandamoka ihany izany, satria efa samy naka ny azy avokoa ireo olona vao nigadona ny faran’ny herinandro izay faran’ny volana rahateo. Nitsoaka nanenika ny lalam-by Isotry ireo olon-dratsy rehefa vita ny fanafihana. Vetivety foana dia nigadona teo ny pôlisy ary indrindra ireo avy eo anivon’ny UIR. Natao ny fisafoana ny manodidina saingy vetivety dia nanjavona ireo jiolahy, satria maro loatra ny elanelan-trano eny amin’iny toerana iny. Omaly ihany dia nosokafana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Ny avy ao amin’ny BC no nandray an-tànana an’izany, satria ny fanafihana mitam-piadiana dia heloka bevava.
D.R