Vehivavy no nitondra ny fiara. “Fiarakely tsara tarehy ary toa ireny vaovao ireny mihitsy raha ny fijery azy”, araka ny fanamarihan’ny iray tamin’ireo voakasik’ity raharaha ity. Omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “Route digue”, mifanandrify amin’Ambodimita. Telo lahy avy nanary fako nentina tamin’ny sarety no nofaohin’ilay fiara. Ny iray maty tsy tra-drano ary tafapitika tany an-tanimbary mihitsy aza. Ny faharoa tapaka ny tanany. Ilay fahatelo farany kosa mba tsy nisy naninona, satria nahavita niala raha vao nahita ny fiara nitsotsotsotso nizotra tany amin’izy ireo. Nentina teny amin’ny Hjra avokoa izy telo ary mazava hoazy fa ny razana dia nalefa tao amin’ny tranompaty, raha naterina tao amin’ny sampana famelomanaina kosa ny velona. Momba ireo telo lahy ireo dia fantatra fa mpikarama mpanary maloto eo anivon’ny “wc public” iray etsy amin’ny manodidina an’i Talatamaty izy ireo. Taterin’ireo amin’ny barika ary entina amin’ny sarety isan-kariva ireo maloto dia ariana eny amin’ny toerana iray eny amin’ny digue, izay tsy mbola voafaritra mazava tsara. Tanora manodidina ny 20 taona eo avokoa izy telo lahy. Lasa malaza ary miverimberina hatrany ny anaran’ny “route digue”, saingy malaza ratsy. Ny antony dia rehefa tsy hitrangan’ny halatra dia hitrangan’ny lozam-pifamoivoizana. Efa marobe ireo mitaraina, noho ny afitsoky ny mpanao ratsy eny an-toerana amin’ny alina. Misy manakan-dàlana amin’ny alàlan’ny vatobe iny làlana iny amin’ny alina. Maro ny manapakevitra ny manitsy ireo sakana mba ho fiarovana ny ainy. Dia mazava hoazy fa potika tanteraka ny any ambanin’ny fiara rehetra any. Na koa hiharan’ny lozam-pifamoivoizana. Rehefa tsy izany indray dia maro koa ny manararaotra ny hatsaran’ny làlana, izay sady maizina rahateo, ka manampatra ny herin’ny fiara. Iny anefa dia be mivilivily ary mety misy olona manapaka tampoka. Be no efa namoy ny ainy teo noho ny lozam-pifamoivoizana. Ny zavatra iraisan’ireo asa ratsy sy ireo loza ireo dia ny haizina izay manjaka eny amin’ny “route digue”. Inoana marimarina fa hihena ny asaratsy sy ny lozam-pifamoivoizana rehefa hasiana jiro iny làlana iny.
D.R