Manana lamosina, mamofona kolikoly, ambonin’ny lalàna etc. Samy manana ny filazany azy ny olona eny Ambonisoa-Ilafy, raha mahakasika ny ady tany mitranga eny an-toerana ka hiadiana eny amin’ny fitsarana ankehitriny. Tsy idirana lalina ny amin’ny antony, saingy nisy kosa ny didy navoakan’ny kaominina Ilafy ,izay mandrara ny fanohizana asa ataon’ny ankilany mandram-pisian’ny baiko vaovao. Ny antony dia mazava loatra, satria mbola hiadiana eny anivon’ny fitsarana ilay toerana, ary manampy an’izany koa, mbola tsy vitan’ny mpandova ny nizara ny tany, ka namaritra an’izany. Toa nodiana tsy heno anefa ny didy navoakan’ny kaominina, mba hampitsaharana avy hatrany ny asa fanamboarana, satria efa misy manangana tamboho sy fototra eo amin’ilay toerana. Raha nanontaniana an-telefaonina ny Ben’ny tanàna dia nilaza fa tsy fantany mihitsy hoe mbola nitohy manorina ihany ny olona izay voalaza fa nividy ny tany. Nilaza io tompon’andraikitra io ny handefa teknisiana avy hatrany avy aminy ary handrara ny fanohizana ny fanamboarana, omaly ihany. Saingy tsy nisy aloha izany hatreto fa toa kobaka am-bava fotsiny. Ireo tompon’andraikitra amin’ny fananganana indray raha natonina dia nilaza fa tsy manana ambara mihitsy, satria efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha (fomba iray entina hialàna bala ihany). Raha ny zava-misy momba ity tany dia fianakaviana dimy no mpandova. Vao tsy vita akory anefa ny fizarana dia efa nisy nivarotra, amin’izay indray ny ampahany tsy mifanaraka amin’izay tokony ho azony no namidiny. Teo no nanomboka ny disadisa izay niafara eny amin’ny fitsarana. Mipetraka ny fanontaniana hoe, nisy taratasy hosoka ve izany nentin’ilay fianakaviana iray nivarotra ny tany? Ary nahoana no nanaiky izany koa ny mpividy izay tokony mahafantatra tsara ny amin’ny tany izay novidiny vao tonga amin’izany fividianana izany? Amin’ny talata hoavy izao no handrasana izany ny etsy Anosy.
D.R