Nitrangana hain-trano goavana indray, tetsy Ilanivato Anosipatrana, omaly. Trano lehibe iray misy rihana no nataon’ny afo kilalao tamin’io fotoana io, tokony ho tany amin’ny mitatao vovonana tany ho any. Araka ny angom-baovao azo, dia tsy fantatra mazava izay tena fototry ny afo. Ny setroka nijolofotra sy ny lelafo nanaka-danitra no nanaitra ny rehetra tamin’io fotoana io. Samy nifarimbona namono izany afo izany avokoa ireo fokonolona rehetra teny an-toerana, raha tao kosa ireo niezaka namoaka namonjy ny entana. Nisy kosa ireo niantso ny mpamonjy voina. Ireto farany dia vetivety ihany dia tonga teny an-toerana nanampy tamin’ny fifehezana ny afo sy mba tsy hiitaran’izany amin’ireo trano manodidina. Vetivety ihany dia maty ny afo raha ny fantatra. Tao anatin’izany anefa dia efa tsy nisy noraisina intsony ny entana sasantsany ; izay tsy voavonjy intsony tao amin’ity trano lehibe ity. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany hain-trano nitranga izany.
Ankoatr’izay, dia fantatra ihany koa fa nisy hain-trano niseho teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny ny alarobia lasa teo. Trano misy rihana ihany koa izy io, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ireo mpamonjy voina, ary vetivety ihany dia voafehy ny afo, noho ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ara-potoana sy ny fanampian’ireo mponina teny an-toerana. Tsy fantatra ihany koa hatreto izay antony nahatonga izany.
m.L