- Publicité -
jeudi, janvier 29, 2026
AccueilFaits-DiversRN7 : Fiarabe nivadika, namoy ny ainy ny mpamily sy ny omby...

RN7 : Fiarabe nivadika, namoy ny ainy ny mpamily sy ny omby telo

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny omaly. Fiarabe iray nitondra omby no nivadika teo amin’ny PK253+900, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andalamahitsy, Ambositra, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina teo. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamilin’izany fiara izany. Potika tanteraka ilay fiara. Omby telo tamin’ireo 23 nentiny no maty vokatr’izay loza izay. Avotra soa aman-tsara kosa ireo mpanampin’ity mpamily ity roa lahy. Araka ny fampitam-baovao azo dia avy any Ambalavao ity fiarabe ity ary nikasa ny hiakatra aty an-drenivohitra. Vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily no heverina fa nahatonga ny loza. Voalaza mantsy fa nandeha mafy tokoa izany fiarabe izany tamin’iny lalam-pirenana iny, eny fa na dia tojo fiolanana aza. Teo anatrehan’ny vesatr’ireo omby am-polony maro sy ny izy tenany anefa dia nitongilana ilay fiarabe, raha teo am-pihodinana ilay fiholanana ary niafara tamin’ny fivadibadihana tany an-tanimbary mihitsy aza izany. Ireo roa lahy mpanampy ny mpamily tamin’io fotoana io tafapitika teny ivelan’ny fiara ary ireo avotra soa aman-tsara ireo. Ny mpamily kosa nentin’ilay fiarabe niara-nikodiadia, tsy afa-niala intsony, ary voantsindry tao. Nandriaka ny rà. Voatery nosokirin’ireo olona nahita ny loza tao ambanin’ilay kamiao mihitsy aza ny vata-mangatsiakany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana rehetra moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana misahana iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter