Lehilahy 02 voampanga fa saika hivarotra olona no voasambotry ny polisy tao Arivonimamo ny Alakamisy lasa teo. Rehafa nentina tao amin’ny kaomisaria anefa izy ireo, dia nirohotra nankeny an-toerana ireo vahoaka nentin’ny hatezerana ka nitaky ny hamoahana azy ireo mba hanaovana fitsaram-bahoaka. Nanoloana izany toe-draharaha izany dia nandray fepetra avy hatrany ny lehiben’ny polisy ka niantso ny lehiben’ny kaominina, ny kaomandan’ny kaompanian’ny zandarmaria sy ny « Procureur » tao an-toerana mba handamina ny raharaha. Voasoroka noho zany ity fikasana handika lalàna ity ka afaka nanao ny asany ara-dalàna ihany ireo polisy. Voasambotra moa ireto olona ireto noho ny fitoriana nataon’ny olona iray nilaza fa nantsoin’ireo olon-dratsy ka nangataka ny hihaona aminy sy hifampiresaka ary haka « avance ». Somary gaga ihany ilay nahazo antso ka nampilaza ny Polisy. Nomen’ity olona ity fotoana ary ireo lehilahy roa ireo ary efa niaraka tamin’ireo Polisy nanao fanamiana sivily izy tamin’izany. Tonga teo amin’ny toerana nifanomezana izy roa lahy ka dia noraisim-potsiny. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaiky fa tena nanana io fikasana io tokoa izy roa lahy. Ny antony dia noho izy ireo ananan’ny banky vola ka tsy maintsy hanefa izany. Nampidirina am-ponja vonjmaika omaly moa izy ireo rehefa natolotra ny fampanoavana io andro io ihany.
T.M.