- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Dimy lahy nanafika « grossiste » tamin’ny basy kilalao

Ampitatafika : Dimy lahy nanafika « grossiste » tamin’ny basy kilalao

Ny efatra tamin’izy ireo no nitondra basy, raha sabatra kosa ny nentin’ny iray. Tamin’io basy ireo anefa, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary misahana ny raharaha dia tsy tena izy akory fa « irony basy kilalao, apoaka amin’ny vanjan’afokasoka na briquet irony ». Na izany aza anefa, nahavita ny asa ratsiny izy ireo. Lasa ny vola.

Tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahatelony teo no nitranga ity fanafihana mitam-piadiana ity ny harivan’ny alakamisy lasa teo, teo Avaratetezana Ampitatafika. Mpamongady amina entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro (ppn) sy zava-pisotro io lasibatra io. Satria toerana isan’ny be olona ihany iny toerana, dia nandrasan’izy ireo ho mangingina teny an-toerana izay vao niditra nanao ny asa ratsiny izy, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Heverina araka izany fa mety ho efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nitily ny fomba hanatanterahan’izy ireo ilay fanafihana ireto olon-dratsy ireto. Niditra toy ny ireny mpanjifa ireny izy dimy lahy, izay samy tsy nisy nanao saron-tava, saingy kosa niezaka nanafina ny endriny tamin’ny alalan’ny satroka. Avy hatrany dia namoaka ireo fitaovam-piadiana tany aminy izy ireo, nentiny nandrahonana ireo olona tao an-tsena. Tsy nisy sahy nikofoka rahateo ireto farany, noho ny tahotra. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nandraofan’ireo olon-dratsy ireo vola rehetra matin’ity tranombarotra ity, nandritra ny tontolo andro. Tsy voafaritra mazava io vola very io, raha ny fanazavàna azo, satria tsy mbola nanisa ny tompon’ny fivarotana. « Tombanana eo amin’ny efatra na dimy tapitrisa ariary any ho any izany ». Vao azon’ireto mpanafika ny vola dia nanao tari-dositra nitsoaka izy ireo. Taorian’io vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana sy niantso vonjy ireto lasibatra ireto. Tonga avy hatrany teny an-toerana izy ireo saingy efa tafaporitsaka tanaty elakelan-trano ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa natao ny savahao sy ny fikarohana ireto mpanafika ireo. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo no mandray an-tanana ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici