- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Mpitsindrona « heroine » dimy lahy voasambotry ny polisy

Ankasina : Mpitsindrona « heroine » dimy lahy voasambotry ny polisy

Anisan’ny miha-mahazo vahana eto amintsika ny fandrasaina zava-mahadomelina mahery vaika. Ny herinandro lasa teo, dia mpitsindrona « heroine » dimy lahy no voasambotry ny polisy, teny amin’iny faritra Ankasina iny. Mbola tratra teo am-panaovana izany mihitsy moa izy ireo, raha nigadona tao an-tranon’izy ireo ireo mpitandro filaminana. « Tamin’ny alalan’ny angom-baovao azon’ny polisim-pirenena no nahalalana, fa misy olona maromaro ao amina tokantrano iray eny Ankasina mitahiry zava-mahadomelina. Nidina teny an-toerana ny polisy ka rehefa niditra tao amin’ilay trano dia lehihaly  5 no hita tao ary mbola teo am-pitsindronana heroine niaraka tamin’ny fitaovana fanaovana izany » hoy ny voalazan’ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena. Teo no ho eo ihany moa dia nosamborina izy ireo ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy mba hofotorona. Marihana, fa vovo-drongony mahery vaika milanja eo amin’ny 2 grama eo sisa hita tany amin’izy ireo, ambin’ny efa avy nampiasain’ireo dimy lahy ireto. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : avy aiza izy ireo no nahazo ity rongony mahery vaika ity ary iza no mpamatsy azy ? Efa an-dàlam-panaovana fanadihadiana mahakasika izay moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Izy dimy mirahalahy kosa, natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ary fantatra, fa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, raha ny voalazan’ny tatitra hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici