- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Fiara nahafaty olona, nitsoaka

Andraharo : Fiara nahafaty olona, nitsoaka

Ny alin’ny zoma no nitranga ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika fahafatesan’olona. Teo Andraharo no nifaoka mpandeha an-tongotra iray ny fiara marika Citroen. Tsy nijanona izay fa nirifatra niala avy hatrany ny toerana raha vao hitany fa ho ratsy ny fandehan’ny tantara. Marobe ny vavolombelona tamin’ity tranga iray ity ary samy nandray an-tsoratra ny takelaky ny fiara na dia tao anatin’ny hamehana aza izany. Nisy koa ny mpamily fiarakaretsaka izay nanapa-kevitry ny nanenjika avy hatrany ilay fiara, saingy efa nalalaka ny fifamoivoizana ary tsy nitovy ny herin’ny fiara ary dia nandamoaka izany. Na izany aza dia mba voaray ihany koa ny laharan’ny takelaka. Maty tsy tra-drano ny naratra, raha araka ny fitantaran’izay nahita. Ny olona kosa dia nifampitaona mba hijro vavolombelona tamin’ity loza nahafaty olona ity, indrindra ireo izay nanamarina tanteraka fa fiara miloko mainty, mitondra ny marika izay voalaza etsy ambony ary mbola nampiana ny laharan’ny takelaka izay voaray. Omaly dia mbola nitohy ny fifampitaomana mba hampitombo ny isan’ny vavolombelona ary hanome lanja bebe kokoa ny dosie rehefa tonga eny amin’ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ny tambajotra sosialy indray, dia nampitandrina ny mpamily izay tompon’antoka ny olona mba ho tonga hitolotena eny amin’ny mpitandro ny filaminana, satria tsy maintsy ho fantatra ny momba azy avy amin’ny laharanan’ny fiara. Mbola betsaka eto amintsika ny manao « délit de fuite » na mitsoaka rehefa nahavanona lozam-pifamoivoizana. Na izany aza dia tsapa, fa nanao ezaka ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza, eny fa na dia sarotra aza ny fanaovana ny fanadihadiana noho ny tsy fisian’ny porofo sy ny tsy fisian’ny teknolojia izay mandrindra ny fifamoivoizana. Isan’ny ezaka lehibe izay tsy tokony, fa tsy maintsy hatao ny mametraka ny « caméra de surveillance » isaky ny làlana raha tena tiana hofehezina ny fifamoivoizana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici