Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’i Mahanoro, ny asabotsy teo. Raha ny vaovao voaray, tovolahy iray sahabo ho 17 taona eo, voalaza fa mamon-drongony no nanakorontana toeram-pivarotana iray tany an-toerana. Rehefa noentin’ny zava-mahadomelina nofohiny ity tovolahy tsy ampy taona ity, dia tsy nety norarana tamin’ny habibiana nataony izy, ka niantso vonjy tamin’ny manodidina ny tompon’ny tsena. Tezitra ny olona vory nahita ny fanimban-javatra nataon’ilay tovolahy tao amin’ity toeram-pivarotana, ka nosamborina izy, ary niharan’ny daroka sy vono avy eo. Ary tsy namelan’ny olona mihitsy raha tsy tapitra ny ainy. Rehefa nahazo fampandrenesana ny Zandary, dia tonga nijery ny zava-misy ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Taorian’izay, nalain’ny havany teny an-dalambe ny fatin’ilay tovolahy nihosin-drà matin’ny fitsaram-bahoaka.
Eric Manitrisa