Taorian’ny faharendrehan’ny lakam-by iray tany Maroantsetra, ny alahady teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva. Rehefa niara-nientana ny rehetra tamin’ny fikarohana an’ireo olona efatra tsy hita popoka, razana telo no efa hita omaly, dia ilay vehivavy roa mianaka sy ny lehilahy mpanampy ny mpitondra lakana. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra kosa, mbola am-pikarohana ny razan’ilay mpitondra lakana ny any an-toerana. Raha ny fanazavana azo, saika isan-taona mamono olona foana ity renirano ity, indrindra ny eo anelanelan’ny Antsiranan’i Seta sy Antsiranahomby. Tsiahivina, avy tany Ambatofotsy Kaominina ambanivohitra Ambinanitelo hiazo an’i Maroantsetra tampon-tanàna ity lakam-by mandeha motera, izay nitondra mpandeha miisa enina sy entana maro ity no tra-doza teny an-dalana, rehefa navadiky ny onja teo anelanelan’ny vinanin’Ankandimbazaha sy Antsiranan’i Seta, ka dobo an-drano. Taorian’ny loza, mpandeha roa avotra soa amantsara, raha tsy hita popoka kosa ny olona efatra.
Eric Manitrisa