- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFakana takalonaina tany Sakaraha : Dahalo roa maty voatifitra, avotra ilay zazalahy 17...

Fakana takalonaina tany Sakaraha : Dahalo roa maty voatifitra, avotra ilay zazalahy 17 taona

Tsy niandry ela fa vao nahazo antso, mahakasika ny fisiana fanafihana niharo fakana takalonaina ireo zandary, izay nahitana ny avy ao amin’ny GSI (groupement de sécurité interieur) sy ny tobim-paritry ny zandary avy ao Sakaraha, avy hatrany dia nanao ny savahao sy ny fanarahan-dia. Raikitra ny fifandonana : dahalo roa no maty voatifitra, roa hafa tafaporitsaka ary avotra soa aman-tsara kosa ilay takalonaina. Basy vita gasy iray niaraka tamina bala efatra sy antsibe telo no azo sarona.

Ny marainan’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, tao amin’ny fokontany Soarano, distrika Sakaraha. Efa-dahy ireo mpanafika tamin’io fotoana io ary samy nitondra basy sy zava-maranitra avy. Rehefa avy nanao ny asa ratsiny izy ireo dia mbola nitondra zazalahy iray 17 taona teo an-tanàna. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tsy lasa lavitra ireo mpanafika no tra-tehak’ireto farany, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Aboka. Raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Ireo olon-dratsy moa raha vao nahita ireo zandary, avy hatrany dia nitifitra. Niezaka namaly ihany koa ireo mpitandro filaminana, ka nisy roa tamin’ireo dahalo no maty. Izay fantatra fa olon-dratsy avy any amin’iny faritra Anosy iny. Nahita izany ireo naman’izy  roa lahy ka nanao tari-dositra nitsoaka, namela ilay takalonaina. Avotra soa aman-tsara teny am-pelan-tànan’ireo jiolahy araka izany ity farany. Mbola mitohy kosa moa ny hazalambo atao an’ireo roa lahy tafaporitsaka any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici