- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Fiara 4x4 nitsoraka tanaty ranon’Ikopa

Tanjombato : Fiara 4×4 nitsoraka tanaty ranon’Ikopa

Fiara tsy mataho-dalana iray no nivarina tao Ikopa, omaly maraina teny amin’iny faritra Ankeniheny Tanjombato iny. difotra tsy tazana intsony mihitsy ity fiara ity nony latsaka tao anaty rano. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy fa ilay fiara no simba tanteraka. Nalaky niala haingana tao anaty fiara mantsy ny mpamily raha vao nihazo ny fefiloha sy nikivalavala, handeha hilatsaka iny ilay fiara. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia toa hoe fiara hamboarina, tsy lavitra teo izy io. Nony vita kirakira amin’izay dia handeha hovelomina, kanjo tsy nety velona. Hany ka nanapa-kevitra ny mpamily fa atosika sy atao « contre-attaque ». Tamin’izay fotoana izay anefa no tsy voafehy intsony ny familiana, rehefa tsy namaly ihany koa ny hisatra. Namantana avy hatrany tany anaty rano ity fiara ity ary tsy tana intsony. Teo vao niezaka niantso vonjy ny mpamily sy ny ireo mpanosika. Kanefa na dia nifandrimbonan’ireo fokonolona nampiakarina avy tao anaty rano aza dia tsy nihontsona sy tsy tafiakatra mihitsy raha tsy irony « engin » irony no nisintona azy tao. Izay ilay tsy fitandremana kely kanefa novidiana lafo …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici