12 andro taorian’ny andro ratsy niteraka tondradrano tany amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna iny. Noho ny fanararaotana ataon’ireo mpivarotra, dia miaka-bidy avokoa ankehitriny ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ao Tsaratanàna renivohitra ohatra, arivo ariary ny vary iray kapoaka, tafakatra 1 100 ariary kosa izany any ambanivohitra, toy ny ao Bekapaika. Manoloana izao fiakaram-bidy izao, sahirana sy velon-taraina ny vahoaka, ka manao antso avo sy manaitra ny tompon’andraikitra mahefa izay voakasik’ izany, mba hijery akaiky ny zava-misy fa mitady tsy ho zaka intsony ny vidim-bary.
Eric Manitrisa