Nitrangana vono olona nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Atembotra Distrikan’ Antanifotsy, ka vaviantitra iray 75 taona no hita faty nihosin-drà tany an-tsaha, nokapain’ olon-dratsy tamin’ny famaky, afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny sivy ora. Taorian’ny nahitana ny razana, dia nidina ifotony nijery ny zava-nisy ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hatreto, tsy mbola misy ny/ireo tsy mataho-tody voasambotra, na dia efa misy olona izay eo an-tanàna ihany, ahiahian’ny fianakavian’ny maty ho nahavanona izao vono olona tamin’ny fomba feno habibiana izao. « Izahay fianakaviana mahalala ny zava-nisy, fa ny ratsy tsy lavitra eto, ary matoky ny fiasan’ny manampahefana izahay amin’ny fisamborana ny olon-dratsy », hoy ny havan’ny maty. Araka ny tati-baovao voaray hatrany, anpo no halevina am-pasan-drazany Itompokovavy Razafindravelo Harety.
Eric Manitrisa