- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Depioté « wanted », rakotra « barrage » ny lalana

RN7 : Depioté « wanted », rakotra « barrage » ny lalana

Solombavambahoaka iray, lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina tao amin’ny distrikan’i Mahabo, Atoa Ludovic Adrien Raveloson, antsoin’ny maro amin’ny anarana hoe « Leva » no fantatra fa namoahana didy fampisamborana indray ary karohin’ireo mpitandro filaminana fatratra amin’izao. Heverina ho nihazo iny lalam-pirenena fahafito iny ity olom-boafidy ity, araka ny angom-baovao azo, ka nampitomboina, nanomboka omaly, ny sakana sy fisavàna atao amin’ireo fiara rehetra izay mandalo sy mindrana iny lalam-pirenena iny.

Tsiahivina, fa efa nampidirina am-ponja tao Morondava ny depiote Leva, volana vitsivitsy lasa izay. Izany dia noho izy voarohirohy tamina resaka fitrandrahana ala an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna, niampy fanamparam-pahefana. Voalaza ihany koa aza fa toa hoe mbola misy raharaha hafa nitranga tamin’ny taona 2016 nahavoarohirohy azy ary miandry ny fampakarana izany eo anoloan’ny fitsaràna. Tao anatin’izay fitanana azy teny am-ponja izay dia voalaza fa efa maro ireo fangatahana fahafahana vonjimaika nataony saingy nolavin’ireo mpitsara hatrany hatrany izany hatreto. Ny alakamisy lasa teo anefa, dia fantatra fa neken’ny Fitsaràna tao Toliara ilay fangatahana fahafahana vonjimaika. « LP » izay ahiahian’ny maro ho azo tamin’ny fomba tsy dia mazava loatra. Anisan’ny antony, namoahana indray ity didy fampisamborana ny depioten’i Mahabo ity. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny raharaha …

nangonin’i m.L

dep08mk……………………………. 5 modules

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici