Vao nahita ireo zandary mpanao fisafoana ireo olon-dratsy, avy hatrany dia nanao tifitra variraraka. Na izany aza anefa, efa za-draharaha ireo mpitandro filaminana ka afaka niala ireo balan’ny jiolahy ary namaly tifitra. Resy tosika ireo dahalo ka nandositra. Tavela teo ny basy iray, Mas36 niaraka tamin’ny bala roa « calibre 7,5mm ». Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andoharana, fokontany Tsimanavakavana, kaominina Befeta, distrikan’ Ambohimahasoa no nitrangan’ity fifandonana mahery vaika ity, ny harivan’ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, dia nidina nanao asa fitsidiham-paritra sy fisafoana ireo tanàna tany amin’iny faritra iny ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Befeta. Tamin’izany no nifanenan’izy ireo tamin’ andian’olona mirongo basy. Vao nahatazana fotsiny moa ireto farany, dia nihantsy ady avy hatrany. Sendra ny nahay noho izy ireo anefa ka nanao tari-dositra nitsoaka, namela ilay fitaovam-piadiana mahery vaika teo. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao, hikarohana ireo jiolahy ireto, fa indrindra ihany koa hahafantarana ny niavian’izany basy izany. « Ny fantatra hatreto, dia tsy anisan’ny an’ny zandarimariam-pirenena izy io », hoy hatrany ity fampitam-baovao ity. Ho hita eo ihany araka izany ny mety ho tohiny.
m.L