Jean Louis, dahalo raindahiny mpampihorohoro sy mpangalatra omby tany amin’ny Distrikan’ Isandra no voasambotry ny polisy, ny alakamisy teo, tany Fianarantsoa. Raha ny vaovao voaray, nisotro toaka niaraka tamin’ny namany teo amin’ny toby fiantsonana taksiborosy ity dahalo ikoizana izay efa nokarohina hatry ny ela ity no tra-tehaka, rehefa nahazo loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana. Nandritra ny famotorana lalina nataon’ny mpitandro filaminana azy, nilaza ity lehiben-dahalo tanora ity, fa mandositra ny « opération » ataon’ny mpampandry tany any Isandra izy. Rehefa nofotorana hatrany, dia nanondro ny toerana nanafenany ny basy « Kalachnikov » iray miaraka amin’ny bala folo i Jean Louis. Araka ny nambaran’ity lehiben-dahalo ity hatrany, nijanona tsy nanao asan-dahalo izy sy ny ekipany nandritra ny andron’ny dahalo miova fo ireny, ary efa nampanatitra « Kalach » iray sy basy « double canon » iray ary basy vitagasy iray tany amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny volana jiona 2019. Taorian’izay, niverina nanafika izy ireo ka naka vola an-tery 15 000 ariary isan-dahy isan-tokantrano, tany amin’ny Fokontany Morafeno, Kaominina ambanivohitra Mahazoarivo, Distrikan’ Isandra. « Izay tsy nanome dia notafihanay, ka nalainay ny ombiny sy ny fananany, ary nividianana basy ny vola azo tamin’izany », hoy ity lehiben-dahalo tra-tehaka ity nanamafy. Firaisana tsikombakomba amin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana sy fitazomana basy tsy ara-dalana no vesatra iampangana an’ity lehiben-dahalo azo sambo-belona ity.
Eric Manitrisa