- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Gadra nitsoaka, tratra nanafika indray

Moramanga : Gadra nitsoaka, tratra nanafika indray

Teny an-dalana handeha hatao famotorana teny amin’ny tompon’andraikitra ity gadra iray no tafaporitsaka, araka ny fanazavàna azo. Tsy hita intsony izy nanomboka teo, na dia efa nokarohina aza. Ny voalohan’ny volana teo anefa ingahirainy no voasambotra indray noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny kaominina Anjiro, distrika Moramanga iny. Marihana fa efa jiolahy rain-dahiny ity olona ity. Efa voarohirohy tamin’ny resaka fisolokiana avo lenta, izay nampigadra azy ary dia mbola izao tratra amin’ny resaka fanafihana izao indray.

Mpivady mpisoloky. Ny taona lasa teo no lasibatry ny fisolokiana nataon’ity lehilahy ity niaraka tamin’ny vadiny ny renim-pianakaviana iray tao Moramanga tao. Vola mitentina teo amin’ny 30 tapitrisa ariary teo ho eo no lasa tamin’izany. Efa nametraka fitoriana tany amin’ny tribonaly tany Moramanga Rtoa Rasoarimanana Georgette, ilay lasibatra, noho izany ary efa nandeha ny fikarohana azy roa. Fotoana fohy taorian’io dia voasambotra tany Toamasina ilay ramatoa vadiny. Ilay lehilahy kosa tamin’io fotoana io mbola afaka nitsoaka. Ny volana aogositra lasa teo no voasambotra teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny ilay lehilahy ary nampidirina am-ponja vonjimaika tao Moramanga.

Afa-nitsoaka ? Ny faran’ny volana janoary lasa teo no nandeha ny fitsaràna ireto mpivady ireto ary ny zoma teo no nivoaka ny didy : dimy taona an-tranomaizina miampy fandoavana lamandy. « Gaga anefa izahay, hoy hatrany ity ramatoa lasibatry ny fisolokiana ity fa hitanay tamin’ny haino aman-jery izy, ny 03 febroary lasa teo fa hoe voasambotra indray tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadian tany amin’iny faritra Anjiro iny ». Izany hoe, olona tokony mbola ho any am-ponja kanefa io tratra nanao fanafihana io indray. Raha ny fanazavàna nomen’ny Kaomandin’ny vondron-tobi-paritry ny zandary ao Moramanga dia voalaza fa « tafatsoaka tany am-pigadrana ingahirainy ary io tratra io ». Marihana fa mitondra anaran’olona roa samihafa ity lehilahy ity ary toa hoe manana karapanondro sandoka, ka izay no mety tsy nahafantarana azy. Na izany na tsy izany anefa, hoy hatrany ny filazan’ireto olona lasibatry ny fisolokiana avo lenta ireto dia miahiahy ihany izahay satria ireto olona ireto, na ilay vadiny, izay mbola any am-pigadrana na ilay lehilahy dia nilaza fa « lava tanana » ary tsy ho voatana any am-ponja izany. Mangataka ny tompon’andraikitra mahefa araka izany izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici