- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanomezana ho an’ny polisim-pirenena

Fanomezana ho an’ny polisim-pirenena

Nahazo fitaovam-pifandraisana vaovao ny Polisim-pirenena, téléphone 4G marika HUAWEI (Talki-walki) miisa 30 avy amin’ny orinasa HUAWEI Madagascar.

Ny Tale jeneralin’ity orinasa ity no nanolotra izany tetsy amin’ny SOLIMOTEL Anosy, ary nilaza fa hanampiana ny Polisim-pirenena amin’ny fanatanterahana ny asany izao fanomezana izao. Tonga nandray izany tamin’ny anaran’ny Polisim-pirenena kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Randimbisoa Blaise Richard, izay nanamarika fa endriky ny fitohizan’ny raharaham-panjakana izao, satria ny minisitra teo aloha no nanao sonia ny fifanekem-piaraha-miasa herintaona lasa. Amin’izao andro izao kosa no tanteraka izany. Nambarany ihany koa fa hoentina manatsara ny asan’ny Polisim-pirenena ny fahazoana ireto fitaovana ireto ary tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina telon’ny minisitera, indrindra ny ady amin’ny asan-jiolahy. Nentaniny ny polisy tsirairay mba hahay hanaja sy hikolokolo ny fitaovana sarobidy toy izao.

Teo am-pamaranana ny lanonana dia nisy ny fampisehoana andrana natao tamin’ireto fitaovana ireto.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser