Nitrangana halatr’omby indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Tranomaro, Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tokony ho tamin’ny telo ora naraina, tao Antsira, ka omby 58 no lasan’ny dahalo mitam-basy tamin’izany. Rehefa nahazo fampandrenesana mahakasika ity fanafihan-dahalo ity ny mpitandro filaminana manatanteraka « opération » fampandrian-tany ao Tranomaro, dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia an’ireo mpangalatr’omby ny Zandary sy ny Tafika nampian’ny Fokonolona. Nifanehitra tamin’ireo mpanara-dia tao Ankazoabo, Kaominina Tranomaro ireto dahalo nitondra ny omby nitsoaka,dia raikitra ny fifandonan’ny roa tonta. Vokany : dahalo iray azo sambo-belona, omby 51 kosa no latsaka ; izay efa tafaverina tamin’ny tompony ankehitriny, raha maty notifirin’ireo malaso ny omby fito. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, mbola mitohy ny fanarahan-dia an’ireo dahalo nitsoaka, raha ataon’ny mpitandro filaminana fanadihadiana lalina kosa ilay malaso iray azo sambo-belona. Miainga amin’ity dahalo voasambotra ity, raha ny fanazavana azo hatrany, no ahitana ny zohy na toerana fieren’ireo malaso izay fanafenan’izy ireo ny omby halatra.
Eric Manitrisa