- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « Tahitsy sy Fana » : Hiditra an-tsehatra amin’izay ny polisy sy...

Raharaha « Tahitsy sy Fana » : Hiditra an-tsehatra amin’izay ny polisy sy Fikambana Fitia

Nameno ny tambajotra sosialy, andro vitsivitsy lasa izay ilay resaka fikasihan-tanana vehivavy ary nitondra ity farany hatrany amin’ny fahafatesany mihitsy aza izany. Nisarika ny sain’ny maro tokoa ny raharahan’i « Fanà sy Tahitsy ». Ity farany, izay nitondra vohoka ary namoy ny ainy teo am-piterahana. Heverin’ny maro fa noho ny takaitra nentiny tamin’ny herisetra ara-batana nihatra taminy.  Maro tamin’ireo mpanaraka izany raharaha izany tao anaty tambajotra sosialy no naniry ny mba hanokafana fanadihadiana manokana mahakasika izany. Namaly ny teo anivon’ny polisim-pirenena ary nilaza fa hanokatra famotorana izy ireo, izay hiarahan’ny DPJ (direction de la police judiciaire) sy ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy. « Efa ao anatin’ny fanadihadiana izahay ary ho heno tsy ho ela ny valiny » hoy ny fanazavana azo. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa manaraka akaiky ity raharaha ity, ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rtoa Mialy Rajoelina, amin’ny alalan’ny Fikambana Fitia izay tarihiny. « Manaraka akaiky ny raharaha Tahisy ny tenako ary efa eo am-pelatanan’ny BFP na Brigade Féminine de proximité sy ireo mpiaramiasa misehatra ao anatin’ny ady amin’ny herisetra izany amin’izao ankehitriny izao. Manana ny lalàna mifehy ny ady amin’ny herisetra mifototra isika ary mila ampiharina izany! Ny fisian’ny fitsarana manokana momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy amin’ny mahavavy dia ahafahana mamantatra tsara ny marina momba io raharaha io. Tsy azo ekena ny hisian’ny herisetra amin’ny endriny rehetra eo amin’ny samy mpiara-belona, na ara-batana, na ara-tsaina dia melohiko tanteraka izany » hoy ny fanambarana hita ao amin’ny pejy ofisialin’izany fikambana izany, ao anaty Facebook. Raha tsiahivina ny tantara dia niainga tamin’ny sarin’izy mianaka namoy ny ainy ny raharaha. Niampy ny fanaparitahana nataon’olona tao anaty tambajotra sosialy hatrany, ny hafatra miafina nifanaovany taman’olona, fony fahavelony fa hoe niharan’ny herisetra nataom-badiny izy. Ity farany moa, Ingahy Fanà, dia voalaza fa tsy vitan’ny hoe mamono fa toa hoe mbola mampirafy azy ihany koa…

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici