- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFandrahonana basy ben’ny tanana : Zandary iray nampidirina am-ponja vonjimaika

Fandrahonana basy ben’ny tanana : Zandary iray nampidirina am-ponja vonjimaika

Rehefa natolotra ny fampanoavana ny alarobia teo, dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro ilay zandary mamo nandrahona ho faty tamin’ny basy teny an-tanany ny Ben’ny tanàna Ifarantsa, ny tolakandron’ny talata lasa teo. Tsiahivina fa nalefa namita iraka tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ifarantsa, distrikan’i Tolagnaro ity zandary ity. Rehefa nentin’ny hamamoana vokatry ny toaka gasy nosotroiny ity mpitandro filaminana ity, dia nanakorontana tao amin’ny biraon’ny kaominina, ary nandrahona tamin’ny basy saika hitifitra ny ben’ny tanàna any an-toerana. Taorian’ny fandrahonana ho faty ity, niantso avy hatrany ny lehiben’ny Zandary ny ben’ny tanàna lasibatra. Nilatsaka ny baiko hentitra, ary nalain’ireo zandary namany teny aminy ny basy nentin’ity zandary namoa-doza ity. Nentina avy hatrany tao Tolagnaro ilay zandary nandika lalàna, ka nanokafana fanadihadiana. Taorian’izay, natolotra ny fampanoavana ny voampanga, ary tazomina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici