- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomafana Antsirabe : Fanafihana mpivarotra : avotra ny ain'ilay ramatoa

Andranomafana Antsirabe : Fanafihana mpivarotra : avotra ny ain’ilay ramatoa

Niely teto Antsirabe fa maty ilay ramatoa mpivarotra zava-pisotro ao Andranomafana noho fanafihana nahazo azy. Voamarina fa tsy maty akory izy fa tsaho naely fotsiny izany. Raha ny fantatra  dia efa nivoaka ny hopitaly ilay ramatoa. Raha tsiahivina, nosakanan’ny andian’olona ilay mpivarotra raha izy hamonjy fodiana tokony ho tamin’ny 12 ora alina ny herinandro lasa teo. Aterina lehilahy matanjaka ihany izy saingy  fanaon’ireo mpanatitra azy no miverina rehefa tonga manakaiky ny tranony. Tsy nampoizina anefa fa nisy  niandry izy tao anatina lobolobo manakaiky ny vavahadiny fidirany mihitsy. Avy hatrany dia vely  kibay no nahazo azy, ary tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana maromaro, lasan’ireo jiolahy ny vola 1 tapitrisa ariary mahery. Rehefa  niverina ny sainy taty aoriana vao nambarany fa fantany ireo olona namono azy, satria mbola afaka nifampitolona niaro tena izy nandritra ny namoana azy. Nanao ny fanadihadiana ny polisy ary naseho tamin’ilay ramatoa ny sarin’olona maromaro nafangaro fa mbola nanizingizina ilay olom-patany izy. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy, roa lahy no vosambotra hatreto ary efa nahiditra am-ponja vonjimaika.  Mitohy kosa ny fanadihadiana.

Marihina fa  tsy misy izay tsy mahalala ity ramatoa antsoina hoe Zaky ity  raha mpiala voly eo Andranomafana noho ny fahaizanay mandray olona sy mikarakara ireo mpanjifany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici