- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana : Resaka vono olona, misy mitady hanarontsarona ny raharaha

Fenerivo atsinanana : Resaka vono olona, misy mitady hanarontsarona ny raharaha

Hatramin’ny nahafaty an’ity tovovavy 18 taona, Rasoa Violette, izay mbola bevohoka tamin’ny fotoana namoana azy ny 16 novambra ny taona lasa iny, dia mivoaka amin’ny fahanginany ireo fianakavian’ny maty noho ny fitsabahana be loatra sy fiarovana ilay mpamono olona ataon’ity jeneraly am-perinasa amin’izao raharaha vono olona izao. Raha ny filazan’ireto fianakavian’ny maty, dia nisy tamboroho tamina fiotazana jirofo tao an-toerana tamin’io fotoana io, ka olona  an-jatony teo no tonga nanao izany tamin’izay. Raha voaoty ny jirofo ny mazava andro, dia ny alina kosa raikitra indray ny fanapatapahana izany tao an-tanàna ka teo no nitranga ny zava-doza nisian’ity vono olona feno habibiana ity. Voalaza fa nisy nahita teny anelakelan-trano ingahy Flaide sy R/kely Rasoa Violette, ka io olona nahita io no nitantara tamin’ny vadin-dRasoana vadin’i Flaire, ary ity Rasoana ity niaraka tamin’ny Krisy no nidaroka an-dR/kely Rasoa Violette bevohoka efa-bolana tamin’ny vato sy hazo be ny lohany. Nandositra izy ireo taorian’izany, ka ny olona naheno azy nikiaka sy nitaraina noho ny ratra be nahazo azy no nitondra an-dRasoa Violette tany amin’ny ray aman-dreniny, ary mbola afaka nitantara ny nanjo azy tamin’ny reniny izy vao tonga tany an-tranony, saingy namoy ny ainy ny am-pitson’izany (17 novambra) tokony ho tamin’ny 11ora antoandro. Ankilan’izany dia niaiky ny vono olona nataony i Flaide sy ny vadiny ary i Krisy niaraka tamin’ny fianakavian’izy ireo avy ka vonona ny niantoka ny fikarakaraka rehetra an-dRasoa Violette matin’ny daroka tamin’ny lohany sy ny hatony natao azy. Taorian’ny fandevenana dia nametraka fitoriana amin’ny resaka vono olona ny fianakavian’ny maty, taorian’ny fanadihadian’ny zandary, dia niakatra fitsarana ny raharaha, saingy tsy hita ny tohiny hatramin’izao. Vokatr’izay rehetra izay dia manao antso avy amin’ny mpiaro ny zon’olombelona sy ny fanjakana ny fianakavian’ny maty amin’izao raharaha famonoana ny zanak’izy ireo, fa misy mitady hanarontsarona fotsiny izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici