- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Antehiroka : Laharam-pahamehan’ny Ben’ny tanàna ny ady amin’ny kolikoly

Kaominina Antehiroka : Laharam-pahamehan’ny Ben’ny tanàna ny ady amin’ny kolikoly

Tontosa ny Sabotsy teo, tao amin’ny « terrain Mazda » Ambohibao ny lanonambe fametrahana samboady tamin’ny fomba ofisialy ny Ben’ny tanànan’Antehiroka, Rivolalaina Vonjy Arthur (Lalaina Vatosoa). Olona manan-kaja maro no nanotrona ny lanonana, notarihan’ny Lehiben’ny Distrikan’ Ambohitradrimo sy ny Solombavambahoaka mirahalahy voafidy teny an-toerana. « Ben’ny tanàna mitovy fijery amin’ny mpitondra no misy izao, ary misokatra sy vonona hifanome tànana amin’ny hery velona rehetra ny tenako, ka ny fampandrosoana an’Antehiroka no imasoantsika manomboka izao, ka aoka hajanona amin’izay ny hambompo politika nampihemotra sy niteraka olana hatramin’izay », hoy ny Ben’ny tanàna Lalaina Vatosoa, raha nandray fitenenana.

Laharam-pahamehana ny ady amin’ny Kolikoly. Araka ny nambaran’ity Ben’ny tanàna ity hatrany : « Lahara-pahamehana maika amiko ato anatin’ny Kaominina iadidiako ny ady amin’ny kolikoly, satria ny kolikoly dia  fositry ny tsy fampandrosoana. Anisany vain-dohan-draharaha ataoko ihany koa ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka, ka ao anatin’izany ny fanadiovana ny tanàna izay efa mandeha sy mirindra tsara hatramin’ny nitantanako ny Kaominina Antehiroka ». Eo amin’ny lafiny fanavaozana izay hatrany, nahazo fanamiana vaovao manaraka ny fenitra ireo Polisy kaominaly mba hahafahan’izyireo misitraka izany amin’ny asa ataony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici