- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFandrahonana ho faty ny Ben’ny tanàna : Zandary iray nadoboka am-ponja

Fandrahonana ho faty ny Ben’ny tanàna : Zandary iray nadoboka am-ponja

Zandary miasa ao amin’ny Kaompanian’i Tolagnaro izay nalefa namita iraka tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ifarantsa, Distrikan’i Tolagnaro no nandrahona ho faty tamin’ny basy teny an-tànany ny Ben’ny tanàna Ifarantsa, ny tolakandron’ny talata lasa teo. Rehefa nentin’ny hamamoana vokatry ny toaka gasy nosotroiny ity zandary ity, dia nanakorontana tao amin’ny biraon’ny Kaominina. Taorian’ny fandrahonana ho faty ity, niantso avy hatrany ny lehiben’ny Zandary ny Ben’ny tanàna lasibatra. Nilatsaka ny baiko hentitra, ary nalain’ireo zandary namany teny aminy ny basin’ity zandary namoa-doza ity. Taorian’izay, nentina avy hatrany tao Tolagnaro ilay zandary nandika lalàna, ka nanokafana fanadihadiana. Rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, dia natolotra ny Fampanoavana afak’omaky ny voampanga, ary tazonina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro miandry ny fotoam-pitsarana azy; izay mbola tsy fantatra ny andro hanatanterahana izany. Tsiahivina,fa nanomboka ny fiandohan’ity taona ity no mankaty, zandary enina no voatana am-ponja vonjimaika, raha nahatratra 82 izany tamin’ny taona 2019.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici