- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Lehilahy nalevina tao anaty trano

Alasora : Lehilahy nalevina tao anaty trano

Narary tao an-tranony ny raim-pianakaviana iray ary rehefa notsabotsaboina tao ihany dia namoy ny ainy ny alarobia lasa teo. Ny zanany lahy no nilaza tamin’ny fokontany ary somary hafahafa ny filazany. « Esory ao amin’ny bokim-pokon-tany ny anaran’ny dadanay fa efa tsy eto intsony izy », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Io no nanaitra ny filoham-pokontany. Taorian’izay indray dia nampanantsoina ny polisy ary natao ny fisavàna ny trano. Inona tokoa fa nisy fatin’olona izay nalevina tao an-tranony ihany. Navoaka ny razana ary nentina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra. Tany koa dia olana satria misy ny baiko fa tsy mandray razana izay ivelan’ny hopitaly io toerana io, mandram-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao. Voatery niangavian’ny polisy izay vao afaka napetraka tao ny razana. Etsy andanin’izany dia naterina teny anivon’ny polisy izay misahana ny heloka bevava ireo olona efatra izay ankohonan’ilay rangahy izay maty. Ny antony dia satria fahafatesan’olona no voakasik’ity raharaha ity ary tsy maintsy nanokafana fanadihadiana sao ahiana ho heloka bevava no nitranga. Raha tsy izay no izy dia azo eritreretina fa taratry ny fahantrana tanteraka izay iainan’ilay fianakaviana ity tranga ity. Mety hoe tsy misy na ny fasana izay handevenana aza ary tsy vitan’izany fa ny vola izay hikarakarana ny razana dia tsy eo am-pelan-tànana akory. Ny niafarany dia nalevina tao an-trano, nosaronana biriky fotsiny dia izay no izy. Nosokafana avy hatrany ny fihainoana ireo olona izay niara-monina taminy tao an-trano ary hatolotra ny fampanoavana anio izy ireo. Isan’ny fanampim-panazavana azo ny hoe tsy dia salama saina tsara ireo olona ary koa tia mitoka-monina, tsy dia mifandray amin’ny hafa. Somary anaty ala ilay trano izy efa ravarava ary nofefena tamin’ny biriky kely.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici