- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Cyber-criminalité » : Misy « fake news » miparitaka amin’ny anaran’ny Spat amin’ny “facebook”

« Cyber-criminalité » : Misy « fake news » miparitaka amin’ny anaran’ny Spat amin’ny “facebook”

Taorian’ny fisandohan’olona na andian’olona ny tale jeneralin’ny Spat, Atoa Avellin Eddy Christian, izay tsy isan’ireo mpanao sy mpampiasa ny tambajotra “facebook” akory. Efa nisy rahateo  ny fitoriana nataony teo anivon’ny mpitandro filaminana misahana ny “cyber-criminalité”, dia izao indray dia ny orinasa Spat mihitsy no lasibatra amin’ny fanaovana sy famoahana ny “fake news” eo amin’ny tambajotra “facebook”. Raha ny hita dia ambaran’ilay vaovao diso ahely ity fa misy izany olona karohina fa nanodinkodim-bola na nangala-bola teo anivon’ny Spat izany izao. Tsy marina izany, hoy ny Spat, satria tsy misy fanodinkodinam-bola sy hala-bola izany teo anivon’ny Spat hatreto. Ny sary navoakan’ilay tambajotra amin’izany dia sarin-tovovavy azo lazaina fa mamoafady ho an’ny kolontsaina malagasy. Nambaran’ny Spat fa misy soratra mazava hoe “ofisialy” ny tambajotran-tseraseran’ny Spat eo anivon’ny “facebook”, ary raha miditra ao amin’ny “Spat ofisialy” ny mpampiasa ny tambajotra dia tsy mahita mihitsy ilay filazana sy fanambarana nataon’ity mpandefa ny vaovao diso hanaratsiana ny endriky ny Spat ity, ary tsy hita ao mihitsy ireo sary amin’ity tambajotra “fake news” ity fa sarin’ny mpiasa sy ny asa atao eo anivon’ny Spat no mandravaka ilay tambajotra. Araka ny angom-baovao hatrany dia efa nametraka fitoriana mikasika ity mpandefa ny “fake news” manaratsy endrika ny orinasa Spat ity izy ireo amin’izao, koa ho hita eo ny tohin’ny raharaha tsy ho ela.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici