Mivoatra hatrany ny raharaha mahakasika ny fahafatesan’i Tahisy, ilay renim-pianakaviana maty teo am-piterahana, ahiahiana ho niharan’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, izay nataon’ny olona niaraka taminy Fanà. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy, etsy Tsaralalàna, izay nandray an-tanana ity tranga ity dia mety ho amin’ny alakamisy ho avy izao, raha tsy misy ny fiovàna no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana eny Anosy ny raharaha. Hatreto mantsy, hatramin’ny nandraisan’izy ireo izany ny zoma lasa teo, dia fantatra fa olona manodidina ny eo amin’ny 11 teo ho eo no efa nohenoina. « Ny fianakavian’Itpkv Tahisy no efa vita fanadihadiana hatreto, ary manomboka manao famotorana ny fianakaviana avy amin-dralehilahy indray izahay izao, izay ho heverina fa hovita androany (ndlr omaly) » hoy ny fanazavàna azo. Aorian’izao fanadihadiana natao tamin’ny fianakaviana roa tonta izao dia hiroso indray amin’ny famotorana ireo olona rehetra voasaringotra tamin’ity raharaha « Fanà sy Tahisy » ity ireo polisy. Ao anatin’izany ny mpitsabo azy, ny mpampivelona ary mety hitohy hatramin’ireo olona nanaparitaka ity raharaha ity tao anaty tambazotra sosialy mihitsy aza. Marihana fa tsy nisy tamin’ireo olona nohenoina akory no notazomina fa rehefa avy nalaina am-bavany izy ireo dia nalefa nody avokoa, mandram-piandry izay fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Nitàna ny sain’ny maro tokoa ity raharaha ity, indrindra moa fa ireo mpiserasera eo anivon’ny tambazotra sosialy Facebook ary samy miandry ny mety ho tohiny ny rehetra. Ary noho ny fisian’ny mety ho endrika herisetra nihatra tamin’ny vehivavy dia nanaraka akaiky izany ihany koa ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rtoa Mialy Rajoelina amin’ny alalan’ny Fikambanana Fitia. Ho fantatra tsy ho ela araka izany ny mety ho fizotry ny tantara aorian’io fampiarakana eny anivon’ny Fitsaràna io …
m.L