Efa milamina ny any an-toerana. Taorian’ny savorovoro nitranga tao Ambilobe, nitarika fanimbana fananam-bahoaka dia nanapa-kevitra ny hanala ilay lehilahy iray voarohirohy ho mpamono olona, notakian’ny vahoaka atao fitsaràm-bahoaka ny tompon’andraikitra. Fantatra ary araka ny tati-baovao azo teo anivon’ny polisim-pirenena fa nentina nakany Ambaja ity lehilahy ity ary avy eo nafindra toerana any Nosy Be. Marihana fa nidina tany an-toerana mihitsy ny tompon’andraikim-panjakana izay nahitàna ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nijery akaiky ny raharaha ary niezaka nandamina ireo fokonolona.
Potika sy rava. Araka ny voalazan’ny tatitra hatrany, vokatr’ilay savorovoro dia fantatra fa fiara telo no may teo an-tokontanin’ny kaomisaria: fiaran’ny Lehiben’ny distrika ny iray, fiaran’ny polisy ny iray hafa ary fiaran’olon-tsotra nogiazana ny farany. « Ny rindrina atsimon’ny Kaomisaria ihany koa dia simba tanteraka ary mirodana noho ny hetraketraka nitranga ». Tao anatin’izany sakoroka izany dia voalaza ihany koa fa nisy polisy iray no naratra teo amin’ny sandriny havia.
Navotsotra. Nandritra io sakoroka nitranga ny alin’ny alahady, nitohy ny alatsinainy io moa dia fantatra fa nisy tamin’ireo andian’olona nanapotika ireo fananam-panjakana ireo no nosamborina saingy rehefa nandeha ny fandaminana dia navotsotra omaly ihany izy ireo. « Novotsorana teo imasom-bahoaka araka izany ireo andian-jatovo nanakorotana ny filaminam-bahoaka sy nitaky fitsaram-bahoaka anio maraina (ndlr omaly) rehefa samy niaiky fa tsy hamerina izany intsony » hoy indray ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary.
Vono olona. Raha tsiahivina ny raharaha dia niainga tamin’ny fahatratrarana lehilahy iray izay voarohirohy tamina resaka famonoana vehivavy bevohoka iray tany an-toerana ny raharaha. « Nifanome tanana ny mpitandro ny filaminana mba hikarohana izay nahavanon-doza (…) voasambotra ny olona iray izay noahiahiana ho isan’ny iray amin’ireo nahavanon-doza tao Antanambao, Kaominina Mantaly. Rehefa hitodi-doha hiverina (…) dia nahazo baiko hivily lalana ho any Ambanja noho ny fisian’ireo vahoaka maro an’isa izay nikasa hitsena azy ireo ka niomana ny hamaly faty. (…) nizotra namonjy ny Kaomisarian’Ambilobe ireo vahoaka ireo ka nanampatra ny hatezeran’izy ireo tamin’io fananam-panjakana io sy ireo polisy niasa teo an-toerana ».
Tsy nitsahatra sy namemberina tamin’ny vahoaka moa ireto tompon’andraikim-panjakana ireto fa tsy mety ny fitsaràm-bahoaka satria voararàn’ny lalàna izany. « Mangataka fahatoniana avy amin’ny vahoaka ka hanana faharetana hiandry ny vokatry ny fanadihadiana »
m.L