- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNy vovonana “HINA” : Herintaona hifaranan’ny tetikasa, nanao jery todika ny teto Toamasina

Ny vovonana “HINA” : Herintaona hifaranan’ny tetikasa, nanao jery todika ny teto Toamasina

Tao amin’ny trano fandraisam-bahiny sady fisakafoana “la concordia” Ambalamanasy, no nihaona  nanao ny jery todiky ny asa, alohan’ny hifaranany ny tetikasa ny taona 2021 ny vovonana HINA, na “Hetsika Iraisana Natokana ho an’ny Ady amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo” andiany fahatelo eto anivon’ny faritra Atsinanana. Nandritra izany no namerenana teo anivon’ireo mpikambana 40 eo anivon’ny vovonana ny andraikitra sy tanjona ary ny fenitra hotratrarin’izy ireo ao anatin’ny HINA III (2013 – 2021). Raha ny tarehimarika amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo aloha, dia mbola manodidina ny 46% ny eto anivon’ny faritra Atsinanana hatramin’izao, raha efa nidina ho 36% ny ao Analanjirofo, nefa niara-nanomboka izao ihany. Midika izany, fa mbola lavitra sy sarotra ny ezaka atao ho an’ny HINA Atsinanana hampidinana izany  tsy fanjariana ara-tsakafo izany, ao anatin’ny herintaona tsy hifaranan’ny tetikasa. Raha ny eo anivon’ny HINA andian’ny fahatelo ity, dia hiarahan’ny sehatry ny fampianarana, sehatry ny ara-tsakafo, ireo mpamatsy ara-bola ahitana ny Unicef sy ny Pam, ary ireo fiarahamonim-pirenena mpisehatra amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena ara-tsakafo. Ny tanjona ho azy ireo izao, mba hentina hanatrarana ny fenitra napetraka, dia hisy ny hetsika varavarana misokatra roa andro hatao ny volana marsa izao, sy ny fidinana ifotony hijerena ny tena zava-misy tsy nahatrarana ny tanjona napetraka. Efa misy rahateo ny fiaraha-miasan’ireo Epp maromaro, izay miisa 10 eto Toamasina renivohitra, miara-miasa amin’ny Pam amin’ny fanomezana sakafo an-tsekoly ho an’ny mpianatra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici