Omaly izy no tokony ho natolotra ny fampanoavana mba hatao fanadihadiana miaraka amin’ireo voarohirohy ho mpiray tsikombakomba aminy. Tamin’ny ora farany anefa, dia tsy feno ny fepetra hahafahany mivoaka vonjimaika ny fonja mba hentina eny Anosy noho ny tsy fahampian’ny taratasy izay manome alàlana an’izany (ordre d’exctraction). Vokatr’izany, dia hahemotra anio indray ny fanadihadian’ny fampanoavana. Olona efatra izany izy ireo no efa voasambotra noho ny fisolokiana avo lenta. Ny voalohany dia ilay Maorisiana, ny ambiny kosa dia Malagasy izay voarohirohy ho mpiara-miombon’antoka aminy tao anatin’ny fanaovana ny asaratsy. Ireo olona telo dia teny Ivato no voasambotra rehefa hitan’ny mpitory ny tranony. Efa tafakatra 2000 ny isan’ny olona voasolokiny tao anan’ity raharaha ity. Nangalana vola manodidina ny 400.000 ka hatramin’ny iray tapitrisa ariary ireo olona izay nosolokiany. Nampanantenaina izy ireo fa mahavita mampiditra amin’ny toeram-piasana ao amin’ny nosy Maorisy ilay tambajotra. Tao koa ny fisandohana, fa mpiasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ilay Maorisiana ary mora hoazy ny fikarakarana rehetra. Olona an’arivony no tafiditra tao anatin’ny fandrika ary rehefa nandeha ny fotoana ka tsy nisy lasa na ny iray aza, dia tonga saina amin’izay fa voasoloky. Rehefa tonga tsikelikely teny amin’ny polisy, dia teo vao samy nifampitantara ary samy talanjona fa tambajotra iray ihany no tompon’andraikitra tamin’ny asa ratsy. Voasambotra teo Soarano ilay Maorisiana raha teny Ivato ny mpiara-miasa aminy. Betsaka ny Malagasy no manonofy ny hipetraka any ivelany noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny tsy fisian’ny asa. Io indrindra koa no manamora ny asan’ny mpisoloky. Ankoatr’izay, dia efa betsaka koa ireo mampanantena ny mahatafiditra olona ho mpiasam-panjakana ary maka vola etsy sy eroa. Tsy vitsy ny avy any amin’ny faritra no efa roboka tamin’izany. Betsaka ny efa voasambotra tamin’ireo mpanao ratsy kanefa raha ny tsikaritra dia mbola maro koa ny olona izay roboka amin’ny fitaka bevava toy izao.
D.R