Hagagana ny nahare ireo olona mitady ireo fanafody fanabezana aizana eto Toamasina izao, fa tsy misy hovidina intsony izany eny amin’ireo CSB II eto Toamasina. Raha ny fanazavan’ny fanjakana amin’ny alàlan’ny minisiteran’ny fahasalamana anefa, dia efa tsy nakana haba intsony ny fanafarana izany any ivelany, sy ampy tsara ireo fanafody ireo eto amintsika, nefa izao tsy fisiany izao no hita sy iainan’ny Malagasy madinika mpampiasa azy ankehitriny. Ireo te-hanohy ny fampiasana izany, dia voatery mividy izany eny amin’ny fivarotam-panafody ara-barotra samihafa. Ankilan’izany koa dia efa tsy hita eny anivon’ireo CSB II ihany koa izao ny fanafody tazomoka fampiasan’ireo tobim-pahasalamana ireny, hitsaboana ny marary mamonjy azy ireo. Nefa tafiditra tsara ao anatin’ny fotoana maha-be tazomoka sy olona voan’izany tazomaka izany ny eto Toamasina izao, indrindra fa eo amin’ny ankizy. Izay no anaovan’ny eo anivon’ny sampana mpitsabo ny ankizy eto Toamasina antso avo amin’izay malala-tànana rehetra ny hanampy azy ireo izao, fa manomboka miakatra be ny tahan’ireo ankizy sy zaza mararin’ny tazomoka nefa ny fanafody entina hitsaboana azy ireny efa ho ritra sy efa tsy misy ny sasany tena ilaina izao, hany ka tena mamoaka vola be am-paosy ireo ray aman-drenin’izy ireny amin’ny fitsaboana mivatsy izany eny amin’ireo mpivaro-panafody ara-barotra eto Toamasina. Ny vidim-panafody anefa ao anatin’izany efa saika miaka-bidy avokoa, eny amin’ireo mpivaro-panafody .
Malala Didier