- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Mpivarotena am-polony maro noraofin’ny polisy

Tsaralalàna : Mpivarotena am-polony maro noraofin’ny polisy

Tao ireo nanarina fotsiny ary rehefa voasava kara-panondro dia navela nandeha, tao kosa ireo tsy maintsy nentina natao andrimaso tany amin’ny birao noho ny fampisehoana fihetsika mamoafady eny an-dalambe, izay voararan’ny lalàna velona eto amintsika.

Mbola mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy, indrindra fa ireo eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany amin’ny ezaka « fanadiovana » amin’ny lafiny rehetra, iny faritra Analakely sy ny manodidina azy iny. Ny herinandro teo, dia niroso tamin’ny « fananarana » ireo mpivarotena izay efa mampalaza ratsy iny faritra Tsaralalàna ny polisy. Ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’izany kaomisaria izany, ny Commissaire Ted Steven, mihitsy no mirotsaka an-tsehatra. Tao anatin’izany dia fantatra fa nahatratra am-polony maro tany ho any ireo mpivarotena no noraofina teny an-toerana. Nisy tamin’izy ireo no mbola tsy ampy taona mihitsy kanefa, noho ny antony maro isan-karazany dia lasa mandeha mivaro-tena eny an-toerana. Marihana, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitra hatrany, fa tsy manakana akory ny fiveloman-tenan’izy ireo ny polisy. Fifampiresahana sy fanabeazana no fototry ny zavatra ataonay, fa tsy voatery hoe famaizana amin-kery na tsindry bokotra sy fanamparam-pahefana akory. Paikady efa nampiharina foana na tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana aza, ary izao atao amin’ireo mpivarotena izao. Raha miafinafina fa tsy niseho  masoandro sy an-kalamanjana, tsy hisy haninona azy ireo. Ny olana mantsy, raha ny voalaza hatrany, dia misy ny sasany amin’izy ireo no tsy tahotra tsy henatra akory fa dia eo imasom-bahoaka no misolo atin’akanjo, miboridana ary ny miantsoantso ireo lehilahy, hanao firaisana henon’ny rehetra. Tsy vitan’izay, fa mbola mitabataba sy manakorontana ireo mponina eny amin’iny manodidina ihany koa.

Tsiahivina, fa ny lalàna velona eto amintsika dia tsy manakana velively ny fivarotan-tena, saingy ny fampisehoana fihetsika mamoafady an-dalambe kosa (atteinte aux mœurs), ny fitaomana olona hanao firaisana imasom-bahoaka (racolage), ny faneràna mpivarotena (proxénétisme) dia mety hitondra any amin’ny fonja avokoa, araka ny fehezan-dalàna famaizana. Manginy fotsiny ny fanakorontanana amin’ny andro alina (tapage nocturne).

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici