- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka efa inefatra nigadra, voasambotra indray

Antohomadinika : Mpanendaka efa inefatra nigadra, voasambotra indray

Efa nivonona ny hanantanteraka ny asa ratsiny indray ireo mpanendaka roalahy no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, teny amin’iny faritra Antohomadinika, omaly. Ny iray tamin’izy ireo efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony satria efa inefatra izy no voasambotra sy nigadra noho izay resaka fanenandahana izay kanefa dia izao tratra izao indray, niaraka tamin’ny namany.

Ao anatin’ilay fomba fiasa vaovao napatrekany ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, dia misy ireo polisy manao fisafoana any anaty elakelan-trano lavitra any. Tao anatin’izay fisafoana izay indrindra no nahatsikaritra tovolahy roa nijorojoro tanaty elakelan-trano izy ireo, mihazo ny tetezan-dRamanandraibe iny, teny Antohomadinika. Tsy vitan’ny mijorojoro sy manao fihetsika mampiahiahy izy ireo fa mampiseho tsara ny zava-maranitra eny an-tanany. Vao nanatona anefa ireo mpitandro filaminana dia vaky nandositra ireto farany ary raikitra teo ny fifanenjehana. « Nanano ny sarotra ny fanenjehana satria misampana maromaro ilay lalan-kely saingy tratra ihany ireto roalahy ireto » hoy ny tati-baovao azo. Nentina nihazo ny birao avy hatrany moa izy roalahy ireto mba hanaovana famotorana ary fantatra fa atolotra ny Fampanoavana indray ato ho ato.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici