- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Tovolahy 16 taona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona

Nosy Be : Tovolahy 16 taona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona

Mivadika ny tany, ary tsy mifidy taona intsony ankehitriny ny asa ratsy. Tovolahy iray vao 16 taona monja no naka an-keriny zazalahy kely 10 taona tao Belazalaza, Fokontany Dar-Es-Salam, Kaominina Djamandjar, Distrikan’i Nosy Be Hell-ville, ny alin’ny zoma teo. Tsy lasa lavitra anefa ity mpanao « kidnapping » ity dia voasambotry ny Fokonolona, ary avotra soa aman-tsara ilay zazalahy kely, izay voafatotra. Rehefa tra-tehaka ity mpaka an-keriny, dia niharan’ny hatezeran’ny Fokonolona avy hatrany, saingy niditra an-tsehatra nalaky ny Tobim-paritry ny Zandarimaria any an-toerana, ary nandray fepetra haingana nisorohana ny fihoaram-pefy (fitsaram-bahoaka), hoy ny vaovao voaray. Aorian’ny fanadihadiana lalina, hatolotra ny Fampanaovana ity tovolahy azo sambo-belona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici