- Publicité -
mardi, février 3, 2026
AccueilFaits-DiversNosy Be : Tovolahy 16 taona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona

Nosy Be : Tovolahy 16 taona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona

Mivadika ny tany, ary tsy mifidy taona intsony ankehitriny ny asa ratsy. Tovolahy iray vao 16 taona monja no naka an-keriny zazalahy kely 10 taona tao Belazalaza, Fokontany Dar-Es-Salam, Kaominina Djamandjar, Distrikan’i Nosy Be Hell-ville, ny alin’ny zoma teo. Tsy lasa lavitra anefa ity mpanao « kidnapping » ity dia voasambotry ny Fokonolona, ary avotra soa aman-tsara ilay zazalahy kely, izay voafatotra. Rehefa tra-tehaka ity mpaka an-keriny, dia niharan’ny hatezeran’ny Fokonolona avy hatrany, saingy niditra an-tsehatra nalaky ny Tobim-paritry ny Zandarimaria any an-toerana, ary nandray fepetra haingana nisorohana ny fihoaram-pefy (fitsaram-bahoaka), hoy ny vaovao voaray. Aorian’ny fanadihadiana lalina, hatolotra ny Fampanaovana ity tovolahy azo sambo-belona naka an-keriny zazalahy kely 10 taona ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter