Efa somary antitra ihany raha io fotodrafitrasa nampalaza ny varimitsangana etsy Ambodifilao io, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « Zaimaika ». Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, dia nirodana vokatry ny ora-mikija ny tafon’izany trano izany. Voalaza, fa tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy tamin’izany. Na izany aza anefa potika tanteraka ity trano nanana ny lazany ity.
Ora-mikija. Na dia ekana aza fa ao anaty fahavaratra tanteraka isika izao, somary tampoka tamin’ireo mponina teto an-dRenivohitra sy ny manodidina ilay ora-mikija ny alin’ny zoma lasa teo iny. Somary niatoato kely izy avy eo nitohy nandritra ny alina. Ny maraina, hatairana avokoa ny an’ireo rehetra nandalo teny amin’iny faritra Ambodifilao iny, fa « nirodana » ilay trano fisakafoana. Rehefa tena nojerena anefa, dia tsy ny vatan-trano akory no nirodana fa tsy nahazaka intsony ny vesatry ny tafo ireo hazo tao anatiny, izay efa rodan’ny fotoana sy ny nokikisan’ny setroka aman-taonany maro. Vokany potika avokoa ireo talatalana sy « vitrine » fivarotana sakafo tao anatin’io trano io. Mazava ho azy moa, alina ny andro ka tsy nisy mpivarotra na mpanjifa intsony tao. Tonga avy hatrany teny an-toerana raha vao nahare ny loza ireo mpamonjy voina. Hita teny an-toerana ny maraina ihany koa ireo teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly niezaka niaro ny manodidina, ny amin’ny mety hisian’ny fanararaotana samihafa. Marihana, fa mpivarotra sakafo masaka am-polony maro no mivelona ao anatin’io trano io, ary mponina an-drenivohitra an’arivony any isan’andro no misakafo ao. Efa nandray fepetra manokana mahakasika izay ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
m.L