Fitoriana mahatratra hatrany amin’ny roan-jato any hatreto no voarain’ny polisy mahakasika ilay raharaha fisolokiana nataona teratany maorisianina sy ny namany teny Mamory Ivato. Nisy sasany tamin’ireo lasibatra aza no tsy nitory, fa nanapa-kevitra avy hatrany ny handeha hanao fitsaram-bahoaka tamin’ny alàlan’ny fikasàna handoro ny tranon’ireo olona voalaza, fa naman’ity teratany vahiny ity, raha tsy tafaverina ny vola lasan’ireto farany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny polisy ka tsy tontosa hatramin’ny farany izany fikasana izany. Olona telo tao amin’ilay trano kosa no nosamborina avy hatrany. Vehivavy ny roa ary lehilahy ny iray.
« Raha tsiahivina, dia nisy teratany maorisianina voasambotry ny polisy ny herinandro lasa teo noho ny fisolokiana olona amin’ny resaka fandefasana mpiasa ho any Maorisy sy milaza ho mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Mbola nitohy ny fitoriana mahakasika azy ary maro ny olona milaza fa mbola misy mpiara-miasa aminy teratany malagasy miriaria any » hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny polisim-pirenena. Taorian’io, dia nanao ranolava nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana avokoa ireo olona lasibatra. « Miisa hatrany amin’ny 200 hatreto no nametraka fitoriana mahakasika ity raharaha ity » raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Ny zoma lasa teo ireto farany no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Marihana, fa efa nidoboka am-ponja ihany koa ilay teratany vahiny voalaza fa atidoha nikotrika ity fisolokiana avo lenta ity, talohan’izao.
m.L