- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : Zandary notafihana tao an-tranony

Manandriana : Zandary notafihana tao an-tranony

Izy mihitsy no notadiavin’ireo jiolahy tao an-tranony. Dimy lahy izay nanao saron-tava no niditra tamin-kery tao amin’ny tokantrano izay ity zandary ity no raim-pianakaviana. Omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina no nitranga izany. Mitam-basy ireo jiolahy ary tsy nisalasala ny nitifitra. Tafaporitsaka anefa ilay zandary izay mitondra ny grady Adjudant chef. Nitsambikina hatreny amin’ny rihana voalohany izy dia tafatsosaka. Na izany aza dia narahin’ireo olon-dratsy tamin’ny basy ny fitsoahany saingy mba tsy nahavoa azy izany. Rehefa izany dia ilay ramatoa vadiny irery no tavela tao an-trano. Io indray no niharan’ny hatezeran’ny jiolahy. Naratra io noho ny daroka saingy kosa mba tsy tonga tamin’ny fanolanana ny zava-nisy. Rehefa tsy hita ihany ny olona izay nofofoina ny ainy dia nobatain’ny olon-dratsy izay azo nalaina. Isan’izany ny fahitalavitra manify sy ny finday roa izay fampiasan’ny tao an-trano. Raha araka ny fanazavana azo dia tsy amperin’asa io zandary io amin’izao fotoana rehefa nahazo alàlana tamin’ny vondrona misy azy ny mba hanao zavatra hafa. Alohan’ny nialàn’ireo jiolahy tao an-tranony dia mbola nanamafy ihany ireo fa tsy maintsy mbola hiverina ary hamaly faty. Endrika iray izay manamafy izany fa ny ain’ity mpitandro ny filaminana ity mihitsy no tena notadiavin’ireo hofofoina. Olana hatrany ny fiarovana ny fianakaviana rehefa misy ny tranga toa izao. Ny mpitandro ny filaminana mantsy efa nanaraka fiofanana amin’ny mety hialàna rehefa ao anaty sakoroka, fa ny fianakaviany kosa no tratra farany. Mahatonga ny sasany ho lasa mifindrafindra toeram-ponenana izany mba ho fiarovana ny ain’ny ankohonany. Tsy maharitra anefa izany vahaolana izany ary ny sasany indray dia lasa milefitra tsy fidiny. Io dia ny mpitandro ny filaminana maneran-tany mihitsy no matetika iharan’izany raha vao misy ny raharaha mafana izay kirakirain’izy ireo. Izay monina an-dakazerina moa dia tsy misy ahiana firy ny momba izany fa ho an’ireo izay manofa trano any an-kafa kosa no tena matetika iharan’ny olana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici