- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMandriambero : Trafikam-basy, ramatoa no atidoha nikotrika

Mandriambero : Trafikam-basy, ramatoa no atidoha nikotrika

Tsy namelan’ny zandary raha tsy sarona ireo mpibizina basy. Niainga tamin’ny vaovao izay azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ny telo lahy izay hivarotra basy no niatombohan’ny fanadihadiana. Teny Mandriambero, afak’omaly, no natao ny fotoana hanaovana ny varotra. Ny tsy fantatr’ireo mpibizlna anefa dia zandary izay manao fanamiana sivily ny olona no- resahin’izy ireo fa hividy ny basy. Miasa eo anivon’ny sampana fitsikilovan’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity io farany. Tonga tokoa teny Mandriambero, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro. Efa nipetraka avokoa ny vela-pandrika teo. Nandritra ny fisamborana dia mbola nikasa ny hitsoaka ihany ireo telo lahy izay nandeha moto roa. Nilefitra anefa raha vao naheno ny poa-basy fampitandremana. Tsy namaly intsony ireo olona, fa avy hatrany dia nanangan-tànana ary noraisim-potsiny. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra, fa mipetraka eny Manakambahiny sy 67ha izy ireo. Basy poleta marika  K-Mar 8mm ary mitondra ny laharana NR 19 A 026 05 sy 19 A 02 609 ireo basy roa izay sarona tao anatin’ny moto nentin’ireo olona. Nitonona ho mpivarotra fotsiny ihany izy ireo ary nanonona anaran’olona kosa izay tena tompon’ny entana. Teo ary dia nizotra avy hatrany tany amin’ny madama iray izay mipetraka ao 67ha ny zandary. Rehefa nosavaina ny tranon’io farany dia nahitàna basy avo lenta « fusil à pompe ». Nisy taratasy anefa niaraka tamin’io. Miompana amin’ny fanamarinana izany ny zandary, omaly. Io madama io dia nanondro ny namany iray izay nolazainy indray fa tena tompon’ireo fitaovam-piadiana. Tsy taiza fa eo amin’ny cité des 67ha ihany no misy ny fonenany. Nanaovana latsak’alina tao an-tranony io omaly kanefa kosa efa tsy tao intsony. Ny fanadihadian’ny zandary no namantarana, fa efa nitsoaka niaraka tamin’ny vadiny izy ary nandeha fiara tsy mataho-dàlana. Akory anefa ny hagagana omaly maraina, fa tonga nitolo-tena teny amin’ny zandary ilay ramatoa. Olona dimy izany no eo am-pelan-tànan’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha fivarotana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna ity. Hatreto dia ireo madama no tena  atidoha amin’ny rehetra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici